Mitaky fanazavana amin’ny Foloalindahy ny Jly Tsaranazy Jean Emile. Nambarany fa anisan’ny fepetra noraisin’ny amiraly Ratsiraka ny nandroahana ny tafika frantsay teto. Nahasarotiny azy ny fiandrianam-pirenena. “Tokony haneho hevitra ianareo Foloalindahy, manoloana ny fizakan’ny filoha ny zom-pirenena frantsay“, hoy izy.
Nandray fepetra manokana ny prefet de Police Antananarivo sy ny lehiben’ny Emmo/Reg Analamanga nanetsika ny mpitandro filaminana, ny 6-8 septambra, araka ny fampitam-baovao, afakomaly. Vonona handray fepetra amin’ny hetsika tsy manara-dalàna mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka izy ireo.
Nanapa-kevitra tsy handray anjara amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny antoko Gasy mifankatia (Gasymi), efa saika handrotsaka kandidà . Anton’izany ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny fahefana mpanatanteraka na ireo rafitra mpikarakara fifidianana toy ny Ceni sy ny HCC.
Niala an-daharana ary hanohana ny kandidà Rajoelina Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle. Tsy feno ny dosien’izy ireo ka nanatitra taratasy fisintonana ny firotsahan-kofidina teny amin’ny HCC Ambohidahy ny tenany, omaly.