Fiatrehana ny fifidianana: hampandany ny kandidà Andry Rajoelina ny Freedom

Nanao fanambarana tetsy Antanimena, omaly niaraka amin’ireo solontena isam-paritra ny antoko Freedom. Nohamafisin’ny filoha nasionaly, i Lalatiana Rakotondrazafy tamin’izany ny fanohanany ny kandidà Rajoelina.

Manohana ary vonona hanao fampielezan-kevitra, hampandany ny kandidà, Rajoelina Andry, ny antoko Freedom“, izy. Notsiahiviny fa antoko voalohany nangataka ny hilatsahany hofidina fanindroany indray ny antoko Freedom ny avrily 2022. Mazava ny azy ireo sy ny anton’ny fanohanana.  ”Azo arovana ny zava-bitany nandritra ny 4 taona sy 8 volana nitondrany”, hoy izy. Notanisainy tamin’izany ny fananganana fotodrafitrasa maro. Eo ny efitrano fianarana miisa 4 000, ka nahafahana nampidirana mpianatra 209 000. Ireo hopitaly manara-penitra miisa 28. Ny fanangana toby miaramila be indrindra tao anatin’ny 60 taona. Nahafahana niady tamin’ny dahalo izany. Teo koa ny fianakaviana aman’aliny nahazo tombony sy afaka nanatsara ny fihariany tamin’ny alalan’ny tetikasa fahazoana tany na ny ”Titre vert”. Anisan’ny nasongadiny manokana ny ezaka nataony tamin’ny fitantanany departemanta, notarihiny. Eo ohatra ny fanarenana ny Rova, nahitana mpitsidika mitombo isan’andro.

Niaiky ny lesoka ny Freedom

Etsy andaniny anefa, niaiky ny antoko Freedom fa teo koa ny lesoka tsy maintsy arenina. Mijoro ary vonona amin’ny fanarenana ilaina hampadrosoana ny firenena ny antoko, amin’ny fotoam-piasana manaraka araka ny nambarany. “Mila manitsy ny tsy nety tamin’ny fe-potoana nitondrana voalohany. Mila fahasahiana politika goavana izany”, hoy ihany izy. Natsidiny fa haompana bebe kokoa amin’ny fijerena ny lafiny sosialim-bahoaka manomboka izao, ary hatao ny ezaka rehetra amin’izany rehefa lany indray ny kandidà, Rajoelina Andry.

Synèse R.

Partager sur: