Fifanintsanana Can 2024: nisaraka ady sahala i Madagasikara sy i Angola

 Nahazo isa iray ny Barea de Madagascar, omaly, nandritra ny andro farany ao amin’ny vondrona “E”, ho an’ny fifanintsanana hiatrehana ny Can 2024.

Notanterahina, omaly, tao amin’ny Stade National de Lubango, ny lalao nifanandrinan’ny Palancas Negras Angola sy ny Barea de Madagascar. Nisaraka ady sahala 0 no ho 0, i Madagasikara sy i Angola, tamin’ity fihaonana miverina izay tafiditra amin’ny andro fahaenina hiadian-toerana amin’ny Can 2024, ho an’ny vondrona “E” ity.

Raha hiverenana ny lalao, nifandanja tanteraka ny roa tonta nandritra ny fe-potoana 90 mn, saingy nanantombo tamin’ny fitazomam-baolina ny Barea de Madagasikara. Maro ireo baolina tokony ho tafiditra ny minitra faha-22 ho an’i Angola raha toa ka ny faha-45 minitra ny an’i Madagasikara tamin’ny alalan’Ilaimaharitra. Ady sahala 0 no ho 0 no nentina niala sasatra.

Teo amin’ny fidirana faharoa, nanomboka nisy ny fanovana mpilalao ho an’ny andaniny sy ankilany, niditra i Tsiry kely sy Rojo be niala i Tendry sy i Lalaina, ho an’ny Barea. Tsy nampiova ny isa teny amin’ny solaitrabe izany, fa 0 no ho 0 ihany no niafaran’ny lalao.

Araka izany, isa telo izany no azontsika tamin’ity fifanintsanana Can ity ary i Ghana sy i Angola no hisolo tena ny vondrona “E” any amin’ny Can izay hatao any Côte d’Ivoire, ny taona 2024 ho avy io. Ny Black Star Ghana, nandresy an’i Centrafrique tamin’ny isa 2 no ho 1. Tsiahivina fa mifarana amin’iny ihany koa ny fitondran-dRakotondrabe Romuald Felix, Malagasy mpanazatra, ny Barea A. Andrasana izay mety ho tohin’ny fifanarahana eo aminy sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra.

Fitia

Partager sur: