« Foire Analamanga »: hanome sehatra ny fambolena sy fiompiana

Hatao ny 15 ka hatramin’ny 17 septambra izao eny amin’ny kianja Barea ny hetsika “Foire Analamanga”, andiany voalohany. Hisongadina mandritra ireo fotoana ireo ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.  Betsaka ny tanora mandraharaha amin’io tontolo io. Tanjona, araka izany, ny hampiakatra avo ity seha-pihariana ity. Fanamby mampiroborobo ny toekarena ambanivohitra ny fanatsarana ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana. Ilaina ny firaisan-kinan’ireo mpiantsehatra rehetra hanohana ireo sehatra ireo.

Ho hita mandritra ny telo andro ny varotra fampirantiana amin’ny sehatry ny jono, fiompiana, fambolena ary ny asa tanana avy amina distrika samihafa. Eo ihany koa ny fametrahana ny rafitra nomerika ahitana ny antontam-baovao rehetra mikasika ny rohim-pamokarana amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Hampiranty ny fahaiza-manaony ireo tantsaha, indrindra ny fampahafantarana ny fanamby maharitra ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ao anatin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana.

Henintsoa H.

Partager sur: