Horonantsarimihetsika: efa azon’ny rehetra jerena ny « Nampoina »

Tontosaina anio tolakandro, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny fandefasana ny horonantsary “Nampoina : Ny riaka no valampariako”, izay an’ny fikambanana Valamparihy, ho an’ny besinimaro. Ny mpianatra sy ny tanora no tena kendren’ny tomponandraikitra hahita ity horonantsary ity. Tanjona ny handefasana azy any amin’ireo Oniversitem-panjakana sy ireo sekoly maro samihafa. “Mendrika ny hahalala ny tantara sy ny paikadim-pitondran’Andrianampoinimerina ny taranaka”, hoy ny Pr Ranjeva Raymond, nanoratra ny jery ankapoben’ny horonantsary.

Raha tsiahivina, horonantsary maneho ny tantaram-piainan’Andrianampoinimerina, nandritra ny fanjakany, no raketin’ny “Nampoina: Ny riaka no valampariako”. Hita ao anatin’izany ireo paikady sy fiainany ary ny fomba nitondrany ny fanjakana tamin’izany. Ity anio ity no fanehoana ny horonantsary ho hitan’ny besinimaro voalohany, raha ny manampahefana sy ny tomponandraikitra ambony fotsiny no afaka nijery izany, tamin’ny famoahana ofisialy azy.

Vina sy ezaky ny tomponandraikitra ny hanaparitaka ny “Nampoina: Ny riaka no valampariako”, amin’ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka, eto an-toerana, hatrany ivelany. “Azo alaina tahaka ary tena modely ho an’ny rehetra, indrindra ny tanora Andrianampoinimerina. Izany indrindra no anisan’ny antony nandraketana anaty horonantsary ny tantarany. Randrianierenana Henri no nanatontosa azy, niaraka tamin’ny fandraisan’anjaran’ny mpilalao maro, Anisan’izany i Gege Rasamoelina.

Lin

Partager sur: