Manamarika ny faha-25 taona nisiany ny fikambanan’ny mpitsabo misehatra amin’ny minisitera eto amintsika. Hanomboka anio, amin’ny alalan’ny hairanty eo amin’ny Parvis Analakely, ny hetsika. Misy fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ny diabeta, fitsapana tosidra izay maimaimpoana anatin’ny tolotra omena ny mpitsidika eny.
Hisitraka fampiofanana sy fampitaovana mikasika ny fitantanana ny loza sy tandindon-doza ireo mpikambana mandrafitra ireo rafitra nohavaozina sy natsangana. Tafiditra ao ny rafitra ifotony mitantana ny loza sy ny tandindon-doza eo anivon’ny prefektora, distrika, kaominina ary ny fokontany ho fanatsarana ny fandrindrana ny fitantanana.
Taorian’Antsiranana dia i Toliara indray no nandray ny andiany faha-7 amin’ny atrikasa “English Club Moderators Training”, iarahan’ny masoivoho Amerikanina sy ny fikambanana Ndeha hianatra Izahay, ary i Dr. Kathleen Malu. Hofanina momba ny famoronana sy ny fitantanana ary ny fanentanana English club ireo mpitarika.
Ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra dia miantso ireo tanora 18 ka hatramin’ny 35 taona hilatsaka an-tsitrapo, efa anaty fikambanana na tsia mba hanatevin-daharana ny “tanora mpanolotsaina kaominaly” eo anivon’ny CUA. Handray anjara amin’ny hetsika fampandrosoana ny mpiara-belona izy ireo.