Maroantsetra: zaza dimy volana saika kilan’ny afo

Kilan’ny afo ny fitombenan’ny zazalahy 5 volana tao Ankofabe Maroantsetra, afakomaly.  Nifamonjen’ny mponina manodidina navotana tao anaty afo izy. “Tsy salama saina ny rain’io zaza io”, hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Maroantsetra. Mbola nisotrosotro toaka anefa ilay raim-pianakaviana ny hariva. Nanampy azy koa ny vadiny. “Tsy fantatra anefa ny zava-nitranga fa latsaka tao anaty afo ilay zanak’izy ireo”, hoy ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana. Nitaraina mafy ny zaza. May ny ilan’ny feny sy ny fitombenany. Nifandrombaka hamonjy azy ny fokonolona. Efa mamo tsy tompon’ny tenany ireo mpivady. Tetsy ankilany, manahy ny manodidina saika hatonon’izy mivady ireto mihitsy noho ny tsy fahasalaman’ny sainy io zanany io. Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary ireo ray aman-drenin’ny zaza kosa, nanambara ilay raim-pianakaviana fa tsy fanahiniany no nahamay io zaza io. Nentin’ny hamamoana ity farany ka tsy nahafehy ny tenany hanara-maso ilay zazalahy. Nosamborina avokoa izy mivady.

Tsiferana R.

Partager sur: