Sendra ny nahay azy ! Naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo tao Nandihizana, fokontany sy kaominina ambanivohitr’Ambohimasina, distrikan’i Betafo, afakomaly. Jiolahy telo nitondra famaky sy kibay no tafiditra tao an-tokotanin-dry masera rehefa avy nihanika tamboho. Ny mpanampin-dry masera no tratran’ireo jiolahy ka nasainy namoha varavarana. Tsy nanaiky lembenana anefa ry masera fa niezaka nanohitra. Masera iray sendra nivoaka no voavelin’ny kibay. Na teo aza anefa izany voahidy ihany ny trano sady afaka niantso vonjy tamin’ny fokonolona teo amin’ny manodidina ireto relijiozy ireto. Fotoana fohy taorian’izay, vory lanona ny fokonolona ka raikitra teo ny fifanenjehana. Vokany, voasambotry ny fokonolona ny jiolahy iray raha tafaporitsaka ireo namany. Niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ity jiolahy ity. Nentin-katezerana rahateo ny olona amin’ny afitsoky ny tsy fandriampahalemana amin’iny faritra iny. Tonga teny an-toerana ny zandary ka nentina nanaovana fanadihadiana izy.
J.C