Rabary Paul: “Tokony hisy fifampidinihana mialoha ny fifidianana”

“Tokony hisy fifampidinihana mialoha ny fifidianana”, hoy ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, manoloana ny toe-draharaham-pirenena mafanafana amin’izao fotoana izao. Vokatra andrasana amin’ny fifampidinihana ny hanomezana antoka ny rehetra fa madio sy mangarahara ny fifidianana. Etsy andaniny, fanomezana antoka ny rehetra fa hanaiky ny voka-pifidianana. Izay tokony hivoriana sy hifampidinihana.

Tsy fotoan’ny fitondrana Tetezamita intsony izao. “Efa miroso amin’ny fifidianana isika, mihemotra raha vao mankany amin’ny Tetezamita”, hoy izy. Tomponandraikitra ary tsy afa-miala amin’ny andraikiny ny olon-drehetra. Tsy fotoan’ny fandranitana sy fanenjehana intsony izao, fa fitodihana amin’ny vahoaka: fitenenana izay hatao. Anjaran’ny vahoaka ny mamaritra ny hoavin’i Madagasikara. Ny fanekena ny demokrasia no vahaolana, ny fahalalahan’ny olona miteny sy maneho hevitra ao anatin’ny fifanajana: fanajana ny rafitra misy sy ny fanapahan-kevitra raisina.

Tsy tokony hisy ny fanakantsakanana amin’ny lafiny rehetra. Aleo ny vahoaka no hitsara, fa tsy mety ny fisian’ny olona mitsara alohan’ny fitsaran’ny vahoaka. Tsy eny an-dalambe ny fitsaran’ny vahoaka, fa any anatin’ny vata fandatsaham-bato. Aoka tsy hohadinoina fa ny vahoaka ihany no tompon’ny fahefana, mametraka sy manala. Mamosavy tena izay mamorona fanakantsakanana maro samihafa amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: