Mila ampitomboina ny vola atokana ho an’ny fampisakafoana an-tsekoly, hahazoana mampiakatra ny isan’ny mpisitraka satria iankinan’ny fahombiazan’ny fanabeazana. Minisitera maromaro no voakasiky ny fanomezana sakafo, ka zava-dehibe ny fandrindrana ny asa rehetra, manomboka amin’ny fitsinjarana ny vola eny ifotony hatramin’ny fividianana ny vokatra ary ny fitantanana ny toeram-pisakafoana. Hapetraka koa ny paikady hampaharitra ny toeram-pisakafoana satria amin’ny sekoly 27 000 manerana ny Nosy, mbola ny 1 600 eo ihany no misy toeram-pisakafoana. Mampiroborobo ny varotra anatiny ny fisian’ny toeram-pisakafoana satria vidiana eny anivon’ireo tantsaha ny vokatra atao sakafon’ny mpianatra. Anisan’ny fehinkevitra nivoaka tao amin’ny zaikabe nasionaly ho an’ny fampisakafoana an-tsekoly ireo, niarahan’ny minisitera telo ary ny mpiray ombonan’antoka toy ny PAM sy ny Unicef ary ny FAO, tamin’ity herinandro ity.
Nanomboka ny taona 2017, nanohana ny fandaharanasa fampisakafoana an-dakilasy mifototra amin’ny vokatra eo an-toerana ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (PAM). 300 000 ny mpianatra nisitraka sakafo mafana isan’andro anatin’ny distrika 20 amin’ny faritra atsimo. Laroina singa mpamelona ny sakafo zaraina amin’ny mpianatra hampatanjaka azy.
Vonjy A.