Tontosaina anio hariva, eny amin’ny Plaza Ampefiloha, ny fampisehoana ahatsiarovana sy hanomezam-boninahitra an’i Danaivo, Tsilavina Ralaindimby ary i Donné Sahondrafinina. Ny tarika “Sivy Mahasaky” no hamelona indray ny kanton’ireto andrarezin’ny kanto malagasy ireto. Kaloin’ireto andrarezina ireto, laroina ireo hiran’ny tarika “Sivy mahasaky” no hanakoako eny an-toerana amin’ity anio ity. Efa vonona ny rehetra ary seho miavaka no ampanantenain’ny mpikarakara sy ny mpandray anjara ho an’ny mpankafy.
Hifampitaona eny Ampefiloha ireo mpankafy hira somary gasigasy, izay anisan’ny hisongadina manokana, ao anatin’ny fampisehoana fahatsiarovana an’i Danaivo sy Tsilavina Ralaindimby ary i Donné Sahondrafinina. Mozika maroloko no hifangaro eny an-toerana mandritra ity anio ity, mandritra ny fampisehoan’ny “Sivy Mahasaky”. Anisan’izany ny hiragasy sy vakodrazana. Eo ihany koa ny Jazz sy Rock. Mpanao hira gasy telo, vakodrazana roa, mpanao Jazz roa ary mpiangaly Rock roa, ireo no mandrafitra ny “Sivy Mahasaky”. Raha tsiahivina, i Tsilavina Ralaindimby no tompon-kevitra tamin’ny fanangonana ireto mpahay kanto sy mozika, ary namondrona azy tao anatin’ny tarika “Sivy mahasaky”. Hampiavaka ny fampisehoana, anio, ny hira kalon’ny fahiny atao amin’ny fomba fanaon’izy ireo azy.
Lin