Tetikasa « Produir »: misitraka ny fahadiovan’ny lakandrano C3 ny mponina

Notanterahina omaly teny amin’ny fokontany Mandrangobato Anosibe ary hitohy anio eny Ankasina ny andro natokana ho fiaraha-mientana amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa Produir.

 Fotoana nanombohana sy namaritana ny toerana izay hiasana ary fametrahana ireo marika sy takelaka maro samihafa, mba hahafahan’ny tetikasa « Produir » manomboka no natao omaly, teny Anosibe. Teo koa ny fanaovan-tsonia fifanekena fiaraham-pitokisana.

Tonga nanotrona izany teny an-toerana ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny sampandraharahan’ny Fananan-tany, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ary ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena.

Fantatra tamin’izany fa hanomboka ny volana febroary 2024 ho avy izao ny asa goavana fikaofana sy fanadiovana tanteraka ary ny fanatsarana ny manodidina ny lakandrano C3.

Mbola misy ny fanomanana sy asa fanatsarana izay mbola tokony hatao. Anisan’izany ny fanamboarana ny lalan’ny vahoaka sy fampahafantarana ny asa izay ho tanterahina eny an-toerana.

Tafiditra ao anatin’ny tapany faharoa amin’ny tetikasa “Produir” ny fanadiovana ny lakandrano C3 mba hiarovana an’Antananarivo amin’ny tondradrano. Mirefy 12 km ity lakandrano mamakivaky ny lemak’Antananarivo ity ary mitondra ny rano mivoaka ny tanàna.

Tsentsin’ny fako sy ny fotaka tanteraka izany ka tsy afaka mikoriana tsara ny rano.

Nilaza ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, fa « maro ireo fotodrafitrasa izay efa vita tao anatin’ity tetikasa ity ary mbola mitohy ny asa ankehitriny. Mila miezaka ihany koa anefa ny mponina satria tsy vitan’ny kaominina sy ny fitondram-panjakana irery ny fanadiovana ny tanàna. Mila miezaka ny mponina tsy handoto mba tsy ho zava-poana ny ezaka izay efa natao ».

Tatiana A

Partager sur: