Tselatra

Takalonaina avotra teny am-pelatanan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ampiha, kaominina Tsivory, distrikan’Amboasary Atsimo, ny alahady 3 septambra teo. Nanafika tao amina tokantrano iray ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana. Nodoran’ireto farany ny trano ary nentiny ny renim-pianakaviana iray. Natakalo vola 5 tapitrisa Ar izy vao votsotra.

Voasambotry ny zandary ilay raim-pianakaviana namono ny zanany lahy 9 taona, tao Sambava afakomaly. Nokarohina nanomboka ny sabotsy teo izy. Tratra tany amin’ny fokontany iray tao Antalaha ity nahavanon-doza ity taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana.  

 Hita tao anaty rano niletehan’ny fiara 4×4, latsaka tao Analila RN2, ny nofo mangatsiakan’ilay mpandika teny niaraka tamin’ireo olona roa hafa tra-doza, omaly. Marihina, nifatratra tao anaty rano ny fiara nentin’ny sinoa iray sy olona roa hafa ny talata 5 septambra teo.

Dahalo telo lahy lavon’ny zandary tao Androtabe, fokontany Antevamena, kaominina Ambary, distrikan’i Mandoto, afakomaly. Raikitra ny fifampitifirana rehefa tonga ny mpitandro filaminana. Vokany, lavo ny telo tamin’ireo olon-dratsy. Tratra teny amin’izy ireo ny basy sy bala miisa telo efa nampiasaina.

Partager sur: