Vaovao tambatra

Voarara ny fampiasana ny jiro  maroloko sy « flashy » ho an’ny fiara na moto manerana ny Nosy, araka ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Anisan’ny mahatonga lozam-pifamoivoizana ny fampiasana ireo jiro voalaza ireo. Hisy ny sazy hampiharina amin’ireo izay minia mandika lalàna.

Tanora  mpandraharaha miisa 100  no voafantina hisitraka ny “titre vert” ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Hetsika hanohanana ireo Malagasy mpandraharaha ity tetikasa ity. Nihaona tamin’ireo mpisitraka izany ny komity mpanatanteraky ny tetikasa ao an-toerana, anisan’izany ny fandaharanasa fihariana, izay mpiara-miombon’antoka akaiky amin’ity tetikasa ity.

 Tsirihina isan’andro ny taksiborosy mialoha ny fiaingany eny anivon’ny tobim-piantsonanana manerana ny Nosy. Mifarimbona manao izany ireo tompon’andraikitra samihafa misahana ny fifamoivoizana. Ilaina ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny bokin’andraikitra hisorohana ny loza mety hiseho.

 Niarahan’ny komity nasionaly marolafy mpandrindra ny fampivoarana ny toekarena manga sy ny fitantanana maharitra ny ranomasina natao ny atrikasa ara-teknika mialohan’ny fankatoavana farany ny politikam-pitantanana ny ranomasimbe eto Madagasikara. Hanana ny politika manokana mamaritra ny fomba hitantanana ny fari-dranomasina ny firenena malagasy.

 

Partager sur: