Miaina sady manaja ny fahasamihafana eo amin’ny toerana niaviana ny ao amin’ny faritra Atsinanana. Ataon’ireo mpitantana ao an-toerana ho fanoitra amin’ny fampandrosoana izany.
Nisy ny faniratsirana sy fanosoram-potaka ny raiamandreny ara-panjakana sy ara-drazana ary ny fitsarana eto amin’ny faritra Atsinanana, tamina haino aman-jery sy tambajotran-tserasera, niainga tamina tale kabinetrana sampandraharaham-panjakana ambony iray eto amin’ny firenena, ny tapaky ny volana aogositra teo. Nampiaka-peo manoloana izany ireo vondrom-pikambanana maro toy ny Fizafa ( Fikambanan’ny faritra Atsinanana) sy ny Andriambo, sehatra iray ivondronan’ny tangalamena, vavanjaka, olobe to teny isam-paritra izay tarihin’ny filohany Naivo Michel. Tsy azo ekena ny fomba fisainana mirefarefa amin’ny tany toy ireny izay mitarika mankany amin’ny fisaraham-bazana amin’ny samy Malagasy, hoy izy ireo. Faritra ivondronan’ny samy Malagasy eto amin’ny firenena i Toamasina ka mametraka ho zava-dehibe ny fahasamihafana ho antoky ny fampandrosoana isam-paritra ary miabo ho an’ny firenena. Nanamafy avokoa ireo nitafa tamin’ny mpanao gazety tamin’ ity raharaha ity fa amin’ izao ankatoky ny fiatrehana fifidianana sy raharaha politika marolafy izao dia fihetsika mamoafady ireny zavatra ireny. Tsy fady tsotra fa voasokajy ho fadin-tany mihitsy ka ilàna fanadiovana amin’ny alalan’ny fanaovana tsaboraha, hamonoana omby, mba tsy hisy fiantraikany aman’ aina. Ilaina ny fitandroana ny fihavanana sy ny rafi-piarahamonina anatin’ny fahasamihafana ho antoky ny fampandrosoana sy filaminanana, araka ny fanamafisana nataon’ny filohan’ny Andriambo.
Mahatonga ny olona atelin’ny ranomasina
“Mandroso miaraka ho an’ny taranaka“. Io ny fanambin’ny faritra Atsinanana ankehitriny, raha “Lakana tsaravoho, mahafak’ onja” izy nandritra ny faritany teo aloha. “Tsotra ny tanjon’ io fanamby voalohany io dia ho an’ny taranaka malagasy rehetra monina sy mipetraka anatin’ny faritra Atsinanana”, hoy Rafidison Riched Théodore, governoran’ny faritra Atsinanana. “Ny ranomasina dia manana hery miafina manokana tsy takatry ny sain’ny olombelona “, raha ny fanazavan’ i Naivo Michel, filohan’ny Andriambo. Nohamafisiny fa tsy tongatonga ho azy ny fisehoan’ireny trangana fiteleman’ny ranomasina na ranomamy olona ireny fa vokatry ny fanitsakitsahana ny fadin-tany.
Raha tsiahivina, faritany iray ifampitsinjaran’ny faritra telo i Toamasina: Analanjirofo, Alaotra Mangoro ary Atsinanana.
Faritany teo aloha
Ho an’ ny faritany teo aloha na faritra Atsinanana manokana, efa nifandimby nitantana ity lapaben’ny faritany sy faritra ankehitriny ity ny solontenam-panjakana avy amin’ny faritra maro eto amin’ny firenena. Ny Kaomandà Ravelomitsangana (Farafangana), no filohan’ny faritany (Chef de province) ny taona 1975. Ny taona 1992, i Tonga Raymond (Ambatondrazaka) ny filohan’ny komity mpanatanteraka ny faritany. 1995, i Tsizaraina Emille ( Fenoarivo Atsinanana) no filohan’ny komity mpanatanteraka. 2001 i Lahady Samuel ( Brickaville) ny govenoram-paritany. Ny taona 2005, ny kolonely Pily Gilbin ( Morondava) no PDS faritany, raha tsy ilaza afa-tsy ireo aloha .Tamin’ireo mpitondra voalaza ireo dia nifandimbiasan’ny faritany Antsiranana, Antananarivo, Fianarantsoa ary avy amin’ny disitrikan’ i Moramanga sy Ambatondrazaka, Maroantsetra ny teo amin’ny sehatry ny sekretera jeneraly. Hatramin’izao 2023 izao, ifangaroan’ny zanaka malagasy ny mpiasa eo anivon’ny faritra Atsinanana izay manamarina fa “Cosmopolite” ary tsy misy fanavakavahana ny fitantanana raharaham-panjakana, eto an-toerana. Raha tsorina, efa endrika fahasamihafana hatramin’ izay ny rafi-pitondrana ato anatin’ny faritra Atsinanana, ary manamarina sy manaporofo izany ireo tale jeneraly, talem-paritry ny sampandraharaham-panjakana maro samihafa avy amin’ny faritra maro eto amin’ny firenena izay samy manao izay ho afany amin’ny fampandrosoana anatin’ny fahasamihafana.