Tanterahina rahampitso tolakandro, eny Antsahamanitra, ny fampisehoana « Revy sy vazo miteny ». Ireo Malagasy kintan’ny vazo miteny, Princio sy Rah Ckiky ary Samoela no hifandimby hampifaly ireo mpankafy vazo, mandritra ity fampisehoana ity. Hampiavaka izany ny fampiaraham-peon’ireto mpanakanto ireto. Vonona ny rehetra hanome ny tsara indrindra, mendrika ny mpankafy vazo miteny, eto Madagasikara.
Raha tsiahivina, ny taona 2008 no nisian’ny hetsika sahala amin’izao farany. Hizara telo ny fampisehoana ary haharitra eo amin’ny adin’ny efatra eo ho eo. Hiaka-tsehatra voalohany i Princio, ao anatin’ny fizarana voalohany. Rah Ckiky kosa no hanatontosa ny fizarana faharoa, ary Samoela no hamarana azy ao anatin’ny fizarana fahatelo. Hisy kosa anefa ny fampiaraha-peo, eny an-tsefatsefany eny, araka ny nambaran’i Samoela.
“Vazo miteny no iraisana fa samy haneho ny maha izy anay izahay” hoy i Rah Ckiky. Samy hikalo ireo hira nankafizan’ny maro azy ireto mpanakanto ireto, ary samy hahazo ny anjarany avokoa ireo sokajina mpankafy.
Lin