Tafahaona teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny tia sy ny manina, omaly. Samy faly tokoa, ary niaraka nankafy indray ny hiran’ny tarika Mage 4, ireo mpankafy maro.
Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana goavana niarahana tamin’ny tarika Mage 4. Fenon’ireo mpankafy ny Lapa ary nanome ny tsara indrindra avy aminy ihany koa ny mpikarakara sy ny tarika, tetsy ankilan’izay. Anisan’ny tena nampiavaka iny fampisehoana iny ny nahitana an’i Lita sy Elysé, niaka-tsehatra indray. Mage 4 zato isan-jato no hita teny an-toerana tamin’ny andron’ny omaly. Araka ny nambaran’ny solontenan’ny tarika, mitohy ary mbola hitohy hatrany ny fiaraha-mifaly, indrindra ao anatin’izao fankalazana ny faha-30 taonan’ny tarika izao.
Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny tarika Mage 4 ny andron’ny omaly. Ela niandrasana fampisehoana sahala amin’ireny ny mpankafy. Nentin’ny tarika nitety vanim-potoana sy ny fotoana mamy rehetra niainan’ny tarika, tao anatin’izay 30 taona izay ireo mpankafy azy tamin’ny alalan’iny fampisehoana omaly iny. Nanokafana ny sehatra ny “Tsisy tomany”, nitohy tamin’ ireo hira tena nitiavan’ny mpankafy ny tarika. Anisan’izany ny “Fahatanorana”, “Lafatra”, “Izy ve?”, “Aza hitserana”, “Rediredy”…
Tsy adinon’ny tarika ny fampirevena ireo mpijery fampisehoana, tamin’ny alalan’ny fitendrena zavamaneno fotsiny sy ny fampandraisana anjara ny mpijery. Tsy lefin’ny taona sy ny rivo-baovao, mozika ankehitriny, ny kanto sy ny tarika fa mbola mijoro sy manana ny toerany. “Fahombiazana no azo ilazana ny anio”, hoy ny mpikarakara. Nalai-nisaraka ary samy afa-po ny rehetra. Feo niraisan’ny rehetra teny am-piafaran’ny fampisehoana ny heo “Samy faly e!” .
Lin