Hatao anio, eny amin’ny Ceni Alarobia, ny antsapaka amin’ny laharan’ny kandidà, anaty biletà
tokana. Ho avy eny an-toerana hanatrika izany ireo kandidà miisa 13 na ny solontenany. Nampanantena ny mangarahara ny eo anivon’ny Ceni amin’izany. Hatonta any ivelany miaraka amin’ireo kojakojam-
pifidianana izany rehefa vita.
Voatendry ho loholona ny Jly Ravalomanana Richard, mpanolotsain’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry sady efa sekreteram-panjakana nisahana ny zandrimariam-pirenena teo aloha. Notendren’ny filohan’ny Repoblika, nialoha ny fametraham-pialany ny sabotsy teo izy, ho solon’ny loholona lasa minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy.
Hametra-pialana ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, alohan’ny 10 oktobra mba hahazoana manao fampielezan-kevitra hampandaniana ny kandidà Rajoelina, araka ny nambarany. Tsy afaka ny tsy hanao fampielezan-kevitra ho azy izy. Nefa mila tsy fiandaniana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy mahazo manao fampielezan-kevitra ny mpikamban’ny governemanta.
Voatendry ho ambasadaoro any Soisa, i Tehindrazanarivelo Djacoba Andry. Efa minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha ny tenany. Voatendrin’ny filankevitry ny minisitra, natao ny zoma teo, ho governora any Anosy koa Rakotovelomanantsoa Voahary. Efa minisitry ny Rano teo aloha, nandritra ny 20 volana ny tenany.