Nigadona teny Ivato, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro, ny delegasiona malagasin’ny taranja “Haltérophilie”. Avy niatrika ny “Mondial” natao tany Riyad Arabia Saodita izy ireo.
«Ny hahazoana medaly any amin’ny lalao olympika (JOI 2024) izay atao any Paris, ny taona 2024 no tanjona ho ahy», hoy Randafiarison Rosina, vehivavy malagasy mpibata fonjamby, omaly, teny Ivato. Marihina fa nahazo ny laharana faharoa maneran-tany nandritra ny “Mondial 2023” amin’ny taranja “Haltérophilie”, izay natao tany Riyad Arabia Saodita, tamin’ny herinandro lasa teo, i Rosina.
Araka ny filazan’ny federasiona malagasin’ny Haltérophilie (FMH), Randriamanarivo Harinelina, tsy nitsanga-menatra ny Malagasy ary efa manana ny lanjany maneran-tany i Madagasikara amin’ity taranja ity. Tsiahivina fa ankoatran’i Rosina, nanatrika ity fifaninanana ity ihany koa, Andriatsitohaina Tojo sy Ramiaramanana Ricardo Elarion, lehilahy malagasy mpibata fonjamby ary Sariaka Bakoliarisoa, Malagasy vehivavy atleta. Ankoatra izay, ny volana desambra ho avy izao, any Qatar, dia hisy ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika 2024. Aorian’izay, misy ny lalao ady toerana farany hiatrehana JOI, hatao any Egypte, ny taona 2024 ho avy izao.
Tsara ny mampahafantatra fa noraisin-dRandrianasoloniaiko Siteny, filohan’ny Komity olympika Malagasy (COM) teny Ivandry, tamin’io fotoana io ireo atleta avy nanao Mondial ireo. “ Mirary azy ireo mba hahatratra ny tanjona lehibe amin’ny lalao Olympika ny tenako”. Tsara marihina fa anisan’ireo nahazoana vokatra tsara tamin’ity taranja ity, ny vatsim-piofanana “bourses olympique” natolotrin’ny COM ho an’i Rosina sy Tojo.
Fitia