Navoakan’ny HCC afakomaly, ny lisitra ofisialy ho an’ ireo kandidà nahafeno fepetra, hofidina ho filoham-pirenena. Miisa 15 ireo voailika raha 13 kosa ireo kandidà ara-dalàna, hifaninana. Nahafeno ny fepetra avokoa izy ireo. Enina amin’ireo mpifaninana, samy efa nisedra ny safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena avokoa. Anisany Ravalomanana Marc, Ratsietison Jean Jacques, Andrianainarivelo Hajo, Rajaonarimampianina Hery, Ratsiraka Roland ary Rajoelina Andry. Efa nandalo fifidianana teny anivon’ny distrika kosa, samy depiote, Razafintsiandraofa Brunelle sy Randrianasoloniaiko Siteny ary Ratsiraka Roland. Samy efa ben’ny Tanàna ny efatra : Ravalomanana Marc, Andrianainarivelo Hajo, Ratsiraka Roland ary Rajoelina Andry. Minisitra sy efa ambasadaoro ary efa filohan’ny Antenimierampirenena, i Paraina Auguste. Teknisianina sy manampahaizana na koa mpandraharaha, Razafinjoelina Tahina sy Ratsietison Jean Jacques, Raobelina Andry ary Ratsirahonana Lalaina. Tsy fantatra loatra kosa ny kandidà Raderanirina Sendrison.
Kandidà efa manana mpikambana hatreny ifotony manerana ny Nosy, Ravalomanana Marc sy Andrianarinarivelo Hajo ary Rajoelina Andry. Samy manana ny mpomba azy maro arakaraka ny faritra kosa ny kandidà sasany. Ohatra any Atsimo Andrefana ny kandidà Randrianasoloniaiko Siteny raha any Atsimo Atsinanana i Paraina Auguste. Eo koa ny avy any Atsinanana, amin’ny alalan-dRatsiraka Roland sy Razafintsiandraofa Brunelle any Fitovinany ary koa Razafinjoelina Tahina avy any Amoron’i Mania.
Synèse R.
Ireo kandidà miisa 13 :
Ravalomanana Marc, Auguste Richard Paraina, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, Randrianasoloniaiko Siteny Thierry, Ratsietison Jean-Jacques Jedidia, Andrianainarivelo Hajo Herivelona, Raderanirina Sendrison Daniela, Razafinjoelina Tahina, Rajaonarimampianina Hery Martial, Raobelina Andry Tsiverizo, Ratsirahonana Lalaina Harilanto, Ratsiraka Iarovana Roland, Rajoelina Andry Nirina.