Harena an-kibon’ny tany : hampandroso ny any Atsimo Andrefana ny tetikasa “Taratra”

Tanjon’ny tetikasa “Taratra”, tanterahin’ny Eglizy Katolika ny hisitrahan’ny Malagasy ny tombontsoa amin’ny harena voajanahary. Maro ny efa nataony tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.

Novolavolaina ny taona 2009 ny tetikasa “Tara­tra”, tanterahin’ny Eglizy Katolika. Manana otrikarena ambanin’ny tany goavana ny faritra Atsimo An­drefana toy ny fasimainty, ny « zircon », ny vatosoa sarobidy, sns.

Mikarakara loabary an-dasy isaky ny telo volana ny tetikasa “Taratra”, toy ny natao ny herinandro lasa teo, tao amin’ny efitrano malalaky ny orinasa Base Toliara. Tanjona ny hitondran’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany any Atsimo Andrefana fampandrosoana ara-toekarena sy hanatsara ny fari-piainan’ny mponina any an-toerana.

Nandray anjara tao daholo ny solontenam-panjakana, ny mpitandro filaminana, ny vondron’olona ifotony, ny mpitarika fivavahana, ny fiarahamonina sivily.

Hetra sy tamberim-bidy

Noresahana manokana ny lafiny hetra, toy ny Hetra Tambatra (Impôts synthétiques) 5%, izay tokony ho anjaran’ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny 95%, ny Hetra alaina amin’ny vola miditra, ny TVA na koa ny IRSA.

Aman-jatony tapitrisa Ariary ny hetra efa naloan’ny orinasa Base Toliara any amin’ny fanjakana, ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny Hetra any an-toerana. Misy koa ny hetra naloa mikasika ny tany novidian’ny orinasa tamin’ny olon-tsotra na fanjakana.

Mpanelanelana ny tetikasa “Taratra”

Anisan’ny nandray anjara fitenenana nandritra ity loabary an-dasy ity ny mompera Jacques. Notsoriny fa manaraka akaiky ny fivoaran’ny raharaha Base Toliara ny tenany. Nisy ny fotoana tsy nitovian-kevitra sy fijery teo amin’ny samy mponina tany Ranobe. « Mirotsaka manelanelana an’izany ny tetikasa. Tsy tokony hifandrafy ny samy Malagasy », hoy ny Mompera Jacques.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: