INDRAY MIJERY

Hikorontana ny fifamoivoizana an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo, atsimo atsinanana ary afovoany atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano avy any atsimo na atsimo andrefana. Hahery be ny ranomasina ka nahazo filazana fampitandremana ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Fitovinany sy Vatovavy, manomboka ny alarobia ka hatramin’ny zoma.

Hanaovana tombana ny fanabeazana eto Mada­ga­sikara mandritra ny roa andro, eny Ankorondrano. Mitarika ny asa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Manohana ny Unicef izay mpiray ombon’antoka amin’ny fanatsarana ny fanabeazana eto Madagasi­kara. Nidina ho 69,4% ny tahan’ny fidirana an-tsekoly ho an’ny ambaratonga fototra ny taona 2012.

Andiany fahatelo amin’ny “salon de l’étude”, karakarain’ny oniversiten’i Toamasina, no tanterahina ao amin’ny kianja Soavita, nanomboka ny herinandro lasa teo. Natao hanampiana ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea ny hetsika, ahafahany mifantina ny lalam-piofanana tiany hatao.

Notolorana taratasy fanamarinana ny nahavitana fiofanana sy didim-pitondrana fanendrena ho mpiasam-panjakana ireo dokotera fito mianadahy, hiantsehatra eny amin’ny Dren Androy, Vakinanka­ratra, Fitovinany, Sava, Sofia, Alaotra Mangoro ary Analanjirofo.

Partager sur: