Jly Rakotoarijaona Josoa : “Vonona hiaro ny safidim-bahoaka ny Foloalindahy”

«Mandalo kihon-dalana lehibe ny firenentsika ankehitriny dia ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Zava-dehibe ho anay ny hahafantaran’ny vahoaka malagasy hiaro ny vahoaka, indrindra ny safidim-bahoaka», hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tamin’ny lanona-miaramila fanolorana faneva ireo jeneraly 36, taona 2022, teny amin’ny Vondron-tafika mpilatsaka an’elonaina, Ivato, ny faran’ny herinandro teo. Manoloana an’izany, manao antso avo izahay ny hanatanterahan’ny olom-pirenena rehetra hisitraka ny zony mba hifidy an-kalalahana izy.
Manao antso avo koa ny Foloaliandahy mba hiatrehana amim-pitoniana na mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Hanao izay tratran’ny heriny izy ireo handaminana ny tany ny fanjakana, raha sanatria ka misy ny korontana. Manainga sy manentana ny hery velona rehetra izy hampiato ny fihantsiana sy ny fandranitana hisorohana ny mety ho krizy haterak’izany, efa tsy ilain’ny vahoaka intsony amin’izao.
“Iray tsy mivaky ny Foloalindahy. Miasa ho an’ny vahoaka malagasy izahay. Maneho fahavononana ihany koa izahay handray andraikitra amin’ny fampanajana ny lalàna”, hoy izy. Ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany. Tsy hitandro hasasarana na hitarain-tana-miempaka, fa hanatanteraka ny andraikitra amin’ny fiarovana ny firenena ary ny vahoaka sy ny fananany, indrindra amin’ny fiarovana andrimpanjakana mijoro.

R. Nd.

Partager sur: