Kaominina Ambatoasana centre : nahazo fotodrafitrasa sosialy maro

Tanàna Orange faha-28 ny ao amin’ny kaominina Amba­toasana Centre, distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy. Nahazo fotodrafitrasa sosialy maro avy amin’ny tohana nentin’ny Orange solidarité Madagascar ny tanàna ary notokanana ny faran’ny herinandro teo tany an-toerana. Nampiana ny CSB I ary nasiana toeram-pivoahana sy fidiovana ihany koa. Nahazo fitaovana avy amin’ny mpiray ombon’antoka “Association Imanga”, ny toeram-pitsaboana vaovao. Nohalehibiazina koa ny CEG Ambatoasana ka nanorenana efitrano roa vaovao ary efa ahitana latabatra sy seza miaraka amin’ny fitaovana. Nametrahana paompin-drano ahazoana rano madio ho an’ny tanàna iray manontolo koa. Nanome tosika tamin’ny akora nanamboarana ny trano ny kaominina ary nanampy tamin’ny fanorenana ny vahoaka. Manana mponina 9 000 ny kaominina.
Napetraka ny taona 2013 ny fandaharanasa “tanàna Orange” manampy amin’ny fampandrosoana ny tanàna lavitra ahazoan’ny ankizy fanabeazana sy manome tolotra sosialy ho an’ny mponina rehetra.

Vonjy

Partager sur: