Kitra: Tapitra ny fitantanan’ny Me Rôrô ny Barea de Madagascar

Nifarana, ny alakamisy 7 septambra lasa teo, ny maha mpanazatra ny Barea de Madagascar an-dRakotondrabe Romual Felix (Rôrô). Miandry izay hisolo azy ny rehtra. Betsaka ny fanehoan-kevitra miseholany mahakasika ity fahataperan’ny fifanarahana aminy ity.

Araka ny vaovao voaray, nifarana tamin’ny lalao nikatrohana tamin’ny Palancas Negras-n’i Angola, natao ny alakamisy 7 septambra lasa teo, tao amin’ny kianja National de Tundavala ny maha mpanazatra ny Barea de Madagascar, an-dRakotondrabe Romual Felix (Rôrô). Marihina fa ny lalaon’ny Nosy sy ny famitana ireo ambin-dalao roa, niadian-toerana amin’ny «Can 2024» ihany ny fifanarahana teo aminy sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Miandry ny fanendrena vaovao avy amin’ny federasiona, ny amin’izay hitondra ny Barea de Madagascar, amin’ireo lalao miandry azy manaraka izany ny mpitia baolina kitra. Raha tsiahivina, notendren’ny federasiona hitondra ny ekipam-pirenena malagasy ny Me Rôrô, ny talata 30 mai lasa teo, taorian’ny fametraham-pialan’i Nicolas Dupuis rehefa tojo tsy fahombiazana indroa nisesy nanoloana an’i Centrafrique, ny volana marsa lasa teo.
Tsara hatrany ny vokatra hatramin’ny nitantanan’ny Me Rôrô ny Barea de Madagascar satria tsy mbola tojo faharesena. Nisaraka ady sahala tamin’ny Kintana maintin’i Ghana tetsy Mahamasina ny 18 jona lasa teo ary 0 no ho 0 nanoloana an’i Angola ny 7 septambra 2023.
Medaly volamena sy alimo

Anisan’ny nampisongadina ny Me Rôrô ny nahazoany ny laharana fahatelo ka nandrombahany ny medaly alimo, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo mpilalao tsy mila ravinahitra. Fihaonana, notanterahina tany Algerie, ny volana janoary teo. Tsy nijanona teo fa mbola nahazo ny medaly volamena nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, natao teto Madagasikara, ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra 2023. Vokatra midika fa izy aloha hatreto ny hany mpanazatra tokana, nahavita nitondra ekipam-pirenena amin’ny sokajy 3 samihafa, ary nahazo fahombiazana hatrany.

Manoloana ireo rehetra ireo, heverin’ny rehetra fa tsy hiala aminy ny federasiona malagasy ary mbola hanohy ny fifanarahana aminy, ho an’ny tohin’ireo lalao miandry ny Barea. Raha tsiahivina ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”. Ny lalao akaiky indrindra ny fihaonana amin’i Ghana, ny 13 novambra ho avy izao any Accra.

Tompondaka

Partager sur: