Lasa ny vola amin’ny sakaosy : tompona Cash point voatifitra sady voatsatok’antsy

Voatifitra ny basy sady voatsatok’antsy, tompona Cash-point iray maty tao Ambatomaro, afakomaly alina.

Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray lasibatry ny fanafihan-jiolahy teny amin’ny fokontany Ambatomaro, boriborintany fahadimy, ny alin’ny sabotsy 9 septambra teo. “Hody izy ka niantsena gouter ho an-janany. Nandrasan’ny jiolahy roa lahy ka norobainy”, hoy ny fianakavian’ny maty. Noterena hanome ny kitapo teny aminy io lasibatra io. Niezaka namikitra izany ilay ramatoa kinanjo narefotry ny jiolahy avy hatrany ny basy. Vokany, voatsatok’antsy in­droa ny tendany. Voatifitra basy koa teo amin’ny sorony, araka ny fanamafisan’ny ha­vany. Voaroba ny vola tao anatin’ny sakaosy. Lasan’ireo tsy mataho-tody koa ny finday miisa enina niampy fahana miteti-bidy ana hetsiny. Niri­fatra nandositra nihazo an’ Am­panotokana ireo mpandroba. Tetsy ankilany, niezaka nanavotra ilay renim-pianakaviana voaroba ny manodidina. Nitondra azy namonjy ny Homi ny renin’ny lasibatra. Tsy tana anefa ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. “Nisedra olana noho ny tsy fisian’ny vola teny am-pelatanan’ireo nanavotra koa izy ka tsy afa-nialana nenina akory”, hoy hatrany ny zaobaviny nanamafy.

10 tapitrisa Ar
Araka ny angom-baovao voaray, manodidina ny 10 tapitrisa Ar ny vola lasan’ireo mpandroba nandritra ny fanafihana. “Tsy afaka hamantatra ny totalin’ny vola voaroba izahay fianakaviana satria efa lasan’ny jiolahy izany”, hoy ny havan’ny maty. Notsindrian’ity farany kosa fa misimisy ny vola lasa. Manao antso avo amin’ny mpitandro filaminana hanara-maso akaiky ny tranga tahak’izao izy ireo. Raha tsiahivina, tsy vao sambany nitrangana fanafihana Cash point miaro vono olona tahak’izao eny amin’iny manodidina iny. Anisan’izany, ny fandrobana raim-pianakaviana roa samy hafa teo Ambohimi­rary sy Soamanandrariny, ny volana marsa teo. Hamonjy fodiana ihany koa saingy namoy ny ainy ilay lehilahy iray voaroba tao Ambohi­mi­rary, norarafan’ny tifitr’ireo tsy valahara. Roa lahy koa ireo nahavanon-doza ary lasany ny vola tamin’izany.

Tsiferana R.

Partager sur: