Maison Aina Ambatolampy : nahazo fitaovam-pianarana ny ankizy sahirana

Nisitraka fitaovam-pianarana ireo mpianatra manala fanadinana eo anivon’ny Epp Ampasanisadoda sy ireo an­kizy sahirana ao amin’ny Maison Aina Ambatolampy Antananarivo, ny sabotsy lasa teo. Niara-nanolotra izany, ny Rotaract Club Antananarivo Faneva sy ny Leo Club Anta­nanarivo Mitantsoa ary ny Sodim. Hetsika “Andrin’ny hoavy”, hanampiana ireo an­kizy sy hanasoavana ny mpiara-belona ary hijerena ny maha olona. Tanjona ny hananan’ny tanora malagasy ho avy ma­miratra eo amin’ny sehatry
ny fanabeazana. Maneho ny fahafahan’ny ankizy mianatra sy mampirisika azy ireo hia­natra ary hanantena hoavy mamiratra ny hetsika toy izao. Manala ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny eo amin’ny lafiny ara-bola sy mampihena ny tahan’ny ankizy miala an-daharana ihany koa.
Ankoatra izay, maro ny tetikasa irika fanararaotra ho an’ny tanora, izay karakarain’ ireo mpiara-miasa telo ireo. Toy ny fampandrosoana sy fampivoarana ny maha olona ary ​​ny sosialy. Mba hanamafisina ny fahaiza-manao, ny fahaiza-mitarika, ny fifandraisana amin’ ny tanora hafa ary ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny tontolo manodidina.
Fikambanana iray mamelona ny fanantenana sy ​​manova izany ho fiainana ny fikambanana Maison D’Aina. Nisy teto Madagasikara nanom­boka tamin’ny 2002. Naorin-dRamakavelo Hanta. Miom­pana amin’ny fiahiana sy fanampiana ireo ankizy sahirana ary manome tontolo azo antoka sy feno fitiavana. Mba hahafahan’ireo ankizy mive­latra sy mianatra ary manantena hoavy tsaratsara kokoa.

Mino

Partager sur: