Mitondra firenena ny governemanta : tsy nandray fahefana ny Antenimierandoholona

Nanda ny fahefana nomen’ny lalàna azy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Miara-mitantana ny firenena, araka izany, ny governemanta.

Nametra-pialana ny 9 septambra teo ny filohan’ny Repoblika Rajoe­lina Andry, taorian’ny fankatoavan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC ny maha kandidà filoham-pirenena azy. Tokony hisahana izany andraikitry ny filoham-panjakana vonjimaika izany ny filohan’ny Anteni­mie­randoholona, Razafimahefa Herimanana, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Nanda tsy handray izany fitantanana ny firenena izany anefa izy. Nisy ny taratasy napetrany mialoha teny anivon’ny HCC, ny 8 septambra.
Manoloana izany, fahefahana faharoa, afaka mitondra an’i Madagasikara ny governemanta. Tsy mandeha irery akory ny praiminisitra fa tsy maintsy miara-manapa-kevitra aminy ny mpikambana rehetra. Miainga avy amin’ny maro anisa ny fakana ny fanapahan-kevitra. Izay rahateo no nahatonga ny tetsy amin’ny HCC, tsy maintsy namoaka ny fanapahana manamafy izay fahefana izay.
Sambany, iarahan’ny go­vernemanta misahana ny asan’ ny filoham-panjakana. Man­dalo ihany anefa izany, hiatrehana ny fifidianana amim-pilaminana.

Vonona !
Efa anatin’ny fifaninanana tanteraka rahateo ny kandidà 13 mirahalahy izy nahafeno fepetra. Raha tsy misy ny fiovana sy ny sampona ny 9 novambra no handeha ny latsabato amin’ny fihodinana voalohany. Ny 19 desambra ny fihodinana faharoa. Efa samy mipetraka ny birao foiben’ny antoko sy ny kandidà tsirairay avy. Mandeha ny fivoriana etsy sy eroa amin’ny fanomanana ny paikady eny an-kianja sy ny fampilezan-kevitra tsy maintsy hatao.

Synèse R.

Partager sur: