Mpitondra moto iray maty, olona iray hafa naratra mafy. Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7), ny sabotsy atoandro teo, tao Sambaina PK 133+750, ivelan’ny tanàna somary fiakarana sady fiolahana. Moto iray marika Kymco GP nanao taingin-droa no nifandona tamina fiara 4×4 iray. Tsy nahafehy ny familiana ilay mpitondra moto ka nifandona tamin’ny fiarabe iray nifanena taminy. Vokany, vaky ny kodiarana aorian’ny fiara. Maty tsy tra-drano ny mpamilin’ilay moto raha naratra mafy ilay olona niaraka taminy. Lehilahy iray 40 taona sy ankizy fito taona koa naratra voadonan’ny fiara rehefa niampita tampoka ny arabe tao Vinaninkarena, RN7 PK 178+850. Efa nahazo fitsaboana izy mianaka ka tsy misy atahorana. Lalana somary mahitsy ity lalana mandalo ao Vinaninkarena ity, maro ireo fiara mandeha mafy ka nahavoadona tampoka azy mianaka niharam-boina.
J.C