Mahatonga ny hafa hanampy na hangoraka ny hoe “mahantra”. Tokony hampiana na hovonjena izany ny mahantra: hiantrana. Amin’ny fotoam-pifidianana toy izao vao tena tsaroana ny fahantram-bahoaka? Idinana ifotony, jerena akaiky, ampanantenaina izao na izatsy… Tsy inona fa fakana ny fony sy ny vatony. Tsy hijerena lavitra afa-tsy izay handresena amin’ny fifidianana ihany, dia izay? Izay no mahatonga ny tsipy na tamby kely tsy mahavita taona, rovitra alohan’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasana…
Tsy misy tsy mahalala hoe mahantra ny vahoaka? Mila fanampiana maika, fanavotana lehibe, tolo-tanana… Nefa amin’ny toy izao ihany vao tena fantatra sy tsaroana ary jerena izay? Raha hevitra no tokony hoenti-miady sy hampiadiana amin’ny fampielezan-kevitra, mbola mijanona sy mianina amin’ny fizarana fanomezana ny sasany na ny maro. Ny fahantram-bahoaka no antony fototra sy fositra. Mbola ho izany ihany mandra-pahoviana? Raha manana ny ampy ny vahoaka, ny hevitra sy ny vina mbamin’ny fandaharanasa amin’izay no hampiadiana.
Hisy sahy sy hanamby fa tena hanala ny vahoaka amin’ny fahantrana? Tsy vonjy tavanandro fa maharitra, mahomby sy azo antoka… Amin’izay, tsy mahantra mahatonga fanampiana na fangorahana intsony no hifanatrehana amin’ny fifidianana. Mba vahoaka mijoro amin’ny maha izy azy amin’ izay izany, matoky tena, tsy azo tambazana na lalaovina, mahazo antoka ny hoaviny… Amin’ny fomba ahoana? Izay no andrasana amin’ireo mpirotsa-kofidina amin’ny famoronana fototr’asa, fanorenana drafitr’asa… Fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo izany, fa ny olona no voalohan-karena. Izany no ndeha hambolena korontana amin’izao? Na ho potiky ny politika… Nefa fantatra izao izay mahamaika ny vahoaka, fa hafa ny an’ny mpanao politika.
R. Nd.