Ho fanamarihana ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja rugby, tanterahina any Frantsa, nisy ny lalao fihantsiana nokarakarain’ny Comité rugby réunion. Fihaonana, natao tao amin’ny Stade Julius Bénard, tao St Paul La Réunion, ny zoma lasa teo. Nifandona ny XV Makis sy ny ekipa voafantin’i La Réunion. Afa-bela ry zareo renione satria resiny tamin’ny isa tery, 25 no ho 22 ny Malagasy, tamin’ity. Fihaonana, niady ary nampitsanga-mitoetra hatramin’ny segondra farany. Nanohitra ny renione tamin’ity ary niomana fatratra. Sahala, 22 no ho 22 ny isa hatreo amin’ny 79 mn nilalaovana. Nanao fahadisoana ny mpilalaon’ny Makis, 20 m miala ny tsatobin’ny Malagasy. Tsy nisalasala nitsoaka ny kiririoka i Thierry Sautron, mpitsara, nanome “hors-jeu”. Voatsara izany rehefa notsarain’i Alexandre Alain, ka nibatan-dry zareo renione, ny fandresena. Nitarika tamin’ny isa, 17 no ho 10 nefa ny Makis, teo am-pialantsasatra.
Tompondaka