Notanterahina omaly tolakandro, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana, « Revy sy Vazo milay », niarahana tamin’i Princio sy Rah-Chiky ary Samoela. Vazo miteny maroloko no nameno ny sehatra, araka ny nampanantenain’ireto mpanakanto ireto. Nampiavaka ny fampisehoana ny fampiaraham-peon’ireto andrarezin’ny Vazo miteny eto Madagasikara ireto. Afa-po ny mpankafy ary manantena ny seho sahala amin’ireny matetika.
Vazo miteny zato isan-jato no nandravaka ny sehatra sy ny fampisehoana teny Antsahamanitra, omaly. Samy naneho ny naha izy azy avokoa, ireo sangany amin’ny vazo miteny eto Madagasikara. Nanokatra ny sehatra i Princio, niaraka tamin’ireo hirany tsy afaka ambavan’ny maro. Nandimby azy avy eo i Rah-Chiky, niaraka tamin’ireo vazo miteny somary mihetsiketsika, izay nampitombo sy nampiakatra ny ambiansy. Namarana ny fampisehoana kosa i Samoela, niaraka tamin’ ireo hirany milamindamina.
Nampiavaka izany rehetra izany koa ny hira niraisan’izy telo mirahalahy. Raha tsiahivina, ny taona 2008 no nisy seho sahala amin’iny farany, izany hoe, 15 taona lasa izay.
Lin