Taorian’ny faharesen’i Allemagne tamin’ny isa 1 no ho 4, nanoloana an’i Japon, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana, taranja baolina kitra, dia voaroaka tsy hanazatra an’i Mannschaft i Hansi Flick, Alema mpanazatra. Araka ny vaovao voaray, Rudy Voller no manolo ny toerany, araka izany. Tsiahivina fa noho ireo vokatra ratsy nifanesy nahatonga ny Federasiona tany Allemagne nandray izany fanapahan-kevitra izany.
Norombahan’i Allemagne ny amboara eran-tany, taranja Basikety 2023, lavon’izy ireo tamin’ny isa 83 no ho 77 i Serbie, omaly, tany Manille Philippines, nandritra ny lalao famaranana. Marihina fa nahazo ny mpilalao mendrika (MVP) tamin’ity fifanintsanana ity i Dennis Schröder, mpilalao Alemà. Tsiahivina fa tsy resy mihitsy izy ireo tamin’ny lalao enina farany.
Nifarana omaly, teny Mahamasina, ny fampiofanana mpanazatra mitondra ireo ankizy latsaky ny 12 taona eto Madagasikara. Marihina fa nanomboka ny sabotsy lasa teo, teny Mahamasina, ny hetsika izay tafiditra ao anatin’ny “Mini Basket”. Tsiahivina fa miisa 63 mianadahy ireo mpanazatra nisitraka ity fiofanana nandritra ny roa andro ity.