Tontolon’ny teatra. Nodimandry i Fredy. Vitsy ny mpilalao tahaka an’i Fredy. Hoy ireo mpankafy : « tena nahay nilalao i Fredy. Nanana fahazotoana nampiaiky ny rehetra teo amin’ny filalaovana teatra ». Saika milalao fototra hatrany izy tamin’ireo anjara notanany. Fantatra fa efa nilalao teatra tamin’ ny tropy Nelson Rasamimanana sy tropy Orimbato.
Hisy fifaninanana fahaiza-mitendry piano eto Madagasikara. Afaka mandray anjara avokoa ireo mpitendry piano manana ny lenta « avancé » ka
latsaky ny 26 taona. Manana fotoana hiomanana tsara ireo izay maniry ny hifaninana « CNAPMADA », satria ny 3 avrily ka hatramin’ny 5 avrily ity fifaninanana ity no hotanterahina.
Mon assiette, ma planète. Tontosaina manomboka rahampitso hatramin’ny 30 septambra 2023, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny fampirantiana “Mon assiette, ma planète”. Ranty hifototra kokoa eo
amin’ny fikajiana ny sakafo. Hita mandritra izany ny karazan-tsakafo avy amina firenena maro.
Ranty hafa mihitsy. Hanatanteraka ranty miavaka amin’ny mahazatra ny Fondation H, eny Ambatomena, ny 21 septambra 2023. Fampirantiana misokatra ho an’ny rehetra ahitana ny haikanton’i Madame Zo. Ankoatra izay, hisy ny fampisehoana mozika iarahana amin’i Mota soa.