Fatin-dehilahy iray efa nifono tamin’ny harona plastika lehibe nisy nanary teny amin’ny fokontany Mahabo Andoharanofotsy, afakomaly. Mpiasa amina orinasa iray misahana ny fiambenana “agent de sécurité” ity hita faty ity. Tsy mponina eny an-toerana izy, raha ny fanazavan’ny manodidina.
Renim-pianakaviana iray 72 taona maty voahosin’ny kamiao teny Andohatapenaka, ny faran’ny herinandro teo. Nisosa tamin’ny seza nipetrahany io ramatoa io kinanjo notsenain’ny fiara nandalo tampoka. Maty teo noho eo izy. Tsy nahiana kosa ny ain’ilay mpitondra moto.
Voasambotry ny polisy ny lehilahy iray nanapaka ny tanan-kavanany tamin’ny antsy tao Tsimahavaokely Morondava, ny alarobia 6 septambra teo. Tsy nifankahazo izy samy mpianakavy ireo ka raikitra ady. Nandray antsibe anefa ity lehilahy ity ka notapahany tamin’izany ny tanan’ny havany. Sarona teny amin’ilay nandratra ny antsy nampiasainy.
Olona naratra mafy nodarohan’ny dahalo 12 lahy nanafika tao amin’ny tokantrano iray tao Tsarazaza, distrikan’i Fandriana, afakomaly. Nitondra fitaovam-piadiana, niditra an-keriny tao amin’ny tranombarotra ireo mpandroba. Nitsoaka nihazo an’Ambodifiakarana ireo dahalo rehefa avy nanao ny asa ratsiny.
Fiara 4×4 an’ny polisim-pirenena nikasa hihazo an’i Fianarantsoa niharan-doza teny amin’ny RN7, afakomaly. Niala fiara iray mifanoha-dalana taminy ny mpamily ity fiaran’ny polisy ity. Nandeha mafy ary saika hisongona ny fiara teo alohany ny sprinter iray avy any Ambalavao.