Tomponandraiki-panjakana ambony iray, monina eny Fort-Voyron no tratra nangalatra ny ranon’ny Jirama. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny teknisiana, ny herinandro teo, no nahatrarana azy, taorian’ny fitarainan’ny mponina, mikasika ny tsy fahazoana rano eny an-toerana. Mampirisika ho sahy hitoroka, izay mijanona ho tsiambaratelo, ny Jirama.
Niverina ny delestazy eto an-drenivohitra, taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI). Amin’ny alina, manodidina ny 3 ora ny faharetany, manomboka amin’ny 11ora alina hatramin’ny 3 ora maraina eo ho eo. Misy koa fahatapahana madinika amin’ny fiafaran’ny hariva.
Aman-jatony ireo mpitsidika ny tranoheva mikasika ny fizahantany eto amintsika, « Explorer Madagasikara », tetsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka, nandritra ny lalaon’ny Nosy JIOI teto amintsika. Delegasiona avy atsy amin’ny nosy rahavavy nandray anjara tamin’ny lalao izy ireo, nahita ny asa tanana malagasy, ny nahandro gasy, sns.
Atao any Antsiranana ny 7 hatramin’ny 10 septambra ny hetsika Festikite, helondranon’i Sakalava. Hetsika ara-pizahantany sy fanatanjahantena amin’ny taranja kitesurf, wingfoil, windsurf. Hisy koa ny fampisehoana ny pro-riders. Eo koa ny fampisehoana ataon’ny mpanakanto, miampy fifidianana lahy sy vavy tsara tarehy any Ramena.