Ao anatin’ny fomba fiasan’ny orinasa Ambatovy ny manampy ireo tantsaha entina hampiroborobona ny seha-piahariany. Tantsaha 2 100 ireo efa nahazo fanampiana avy amin’ity orinasa goavana ity eo amin’ny faritra iasany.Tsy latsa-danja amin’izany ireo nahazo tohana tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny tsenaben’ny «FIER-Mada 2023 ». Miisa 15 ny fikambanana tantsaha avy ao amin’ny distrikan’i Moramanga sy Brickaville ary Toamasina II novatsiana vola nandritra ny hetsika, ny voalohan’ny volana aogositra teo. Misehatra amin’ny famokarana zanakazo, asa tanana, fambolena sakamalaho ireo tantsaha nampiranty sy nivarotra avy any. Nahafahany nifandray tamin’ny mpanjifa sy mpiara-miasa vaovao hafa ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika. Ankoatra izay, misy ny fampiofanana eo amin’ny lafiny teknikam-pambolena sy fiompiana omen’Ambatovy, manampy ny tantsaha hifandray amin’ny mpanjifa ary mampiofana azy ireo hitady lalam-barotra ity orinasa mpitrandraka Nikela sy kobalta ity.
Tamberin’andraikitra
Ankoatra ny maha orinasa mpitrandraka nikela sy kobalta an’Ambatovy, manana andraikitra ara-tsosialy ihany koa ny orinasa amin’ny fampandrosoana ireo tanàna manodidina azy. Maro ny fotodrafitrasa natsangany ho an’ireo kaominina manodidina ny faritra iasany. Nanome asa ho an’ny tanora sy nampidi-bola ho an’ny fanjakana malagasy ihany koa ity orinasa vaventy ity.
Henintsoa H.