Nivadika lavenona ny trano 30 mahery teny Ambodirano Ampefiloha, omaly tolakandro. “May avokoa ny trano hazo 31 ary kila ny kisoa efatra”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fokontany Ambodirano Ampefiloha, Razanadramiadana Nirina. Nahandro sakafon-kisoa toy ny fanaony ny iray tamin’ny fokonolona eny an-toerana tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Nandeha naka mpianatra anefa io tompon-trano io ka navelany tao ny kitay mbola nisy afo. Nandoro trano tampoka ka niparitaka tamin’ireo trano manodidina izany. Nikoropaka ny mponina ka niezaka nifehy ny afo. “Nifandrimbona namono ny afo ny fokonolona ary nanampy izany ny mpamonjy voina”, araka ny fanamafisan’ny sefom-pokontany. Raim-pianakaviana iray 65 taona azon’ny afo ny ilan’ny vatany. Tsy nisy nahiana kosa ny ainy ary efa manaraka fitsaboana izy. Tetsy ankilany, rotiky ny afo avokoa ny entana tao amin’ireo trano may. Maty vokatry ny voina koa ny kisoa efatra. Tokantrano am-polony tsy manan-kialofana.
Tsiferana R.