Nitondra ny heviny sy nanazava ny toe-draharaham-pirenena tany Mahajanga, ny herinandro teo, ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick. Anisan’izany ny momba ny fifidianana. “Hitanila ny fifidianana ary betsaka ny tsy mazava. Eo an-tananan’ny olom-bitsy tanteraka koa ny fitantanana ny firenena”, hoy izy. Nohazavainy tamin’izany ny antony nisintonan’ny Arema ny filatsahan-kofidiny ho filoham-pirenena. Nambarany fa efa sahirana ny vahoaka nefa hametraka vola mihoatry ny 200 tap Ar amin’ny fifidianana efa fantatra ny ho valiny.
Na izany aza, nanteriny fa tsy hanohana kandidà amin’izao fifidianana izao izy ireo. Notsiahiviny fa notezaina hanaja ny fiandrianam-pirenena ny tenany sy ny Arema ka anisan’ny mampatahotra sy mampalahelo ho an’ny firenena sy ny Malagasy, indrindra ireo niady ho fanafahana ny tanindrazana, izao zava-misy izao. Notanisainy tamin’izany ry Rabemananjara sy Ravoahangy ary koa ny rainy, ny amiraly Ratsiraka. Anisan’ ny antony nialany an-daharana tsy ho kandidà koa izany fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena izany.
Anisan’ny vahaolana efa naroson’izy ireo saingy tsy nisy tohiny ny volavolan-dalàna ho fanatsarana ny fifidianana amin’ny alalan’ny teknolojia. Anisan’izany ny momba ny fanendrena ny mpikamban’ny HCC sy ny Ceni ary koa ny ahazoana antoka ny voka-pifidianana
Synèse R.