Ilaina ihany io amin’ny maha mpanakanto. Tsy tadiavina kosa anefa fa tonga ho azy. Mety tsy ho izay ihany koa fa vokatry ny tosika avy amin-javatra hafa toy ny dokam-barotra sy fampiasana vola totoafo. Mifangaro ireo eto amintsika hany ka manjary tafavondrona anaty kitapo iray. Samy kalaza ! Ka ny laza tokoa ange mety hitondra fanambinana tampoka e !
Amin’ny tranga tahaka izany no tena ilana ny sivana ataon’ny mpanjifa ny kanto. Satria malalaka (raha izay no azo ilazana azy) ny fandefasana hira na rindrantsary, sns, eto Madagasikara, adidin’ny tsirairay ny mintelina na manilika izay heveriny fa lasan-ko lazany fotsiny.
Amin’ny vanim-potoana tahaka izao ihany koa anefa no ahatsapana fa ilaina ny « laza ». Mila sy mitady mpanakanto « kalaza » ireo mpilatsaka hofidina ho filoham-pirenena. Manana mpanakanto kalaza i Madagasikara. Asa ny an-dry zareo. Fitadiavam-bola tahaka ny an’ny olon-drehetra mikarama. Noho izany, tsy tokony hisy olana eo imason’ny olon-drehetra. Hahazo tombony ireo mpanakanto kalaza.
… Ka mbola io laza io ihany no hitarika ny zavakanto sy ny mpanakanto ho any amin’ny sehatra lehibe kokoa hatrany. Vitsy dia vitsy, na mety tsy misy mihitsy aza, mpanakanto tsy manana ny lazany ka hanatanteraka fampisehoana (sary, hosodoko,…) any ivelany.
Amin’ny fotoana sasany, mety hamitaka ihany ny fananana laza. Efa nisy vahiny mpanakanto (mpihira) nanatanteraka seho teto Madagasikara, tsy nahasarika mpijery. Efa nisy ihany koa tarika manana ny lazany eto an-toerana, tsy nahafa-po ny mpijery ny seho nataony tany ivelany. Tsy mora ny mitazona ny laza ho marin-toerana !
HaRy Razafindrakoto