Fampielezan-kevitra : mety tafakatra 300 tapitrisa Ar ny maka tarika iray

Andro vitsivitsy sisa no hisaina… Raikitra ny fampielezan-kevitra ! Hiasa mafy ny mpanakanto. Manao ahoana ny endriky ny tontolon’ny fifanarahana ao anatin’izany ? Dinika nifanaovana tamin’i Roberto, « manager » tarika Stéphanie.

Gazety Taratra (*) : Amin’ny maha « manager »-nao, manao ahoana ny antso azonao momba ny fanafanana fampielezan-kevitra ?

Roberto (-) : Efa maro amin’ireo nirotsaka hofidina ho fioham-pirenena tokoa no niantso. Efa nisy efatra eo ho eo. Fa tsy mbola nandray fanapahan-kevitra izahay satria zavatra maromaro no mila dinihina.

* Miankina amin’inona ny handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fifanarahana amina kandidà iray na maromaro ?
– Voalohany, miankina amin’ny « valeur »-n’ilay mpanakanto. Faharoa, miankina amin’ ny zavatra atao. Mety tsy hisy mpitendry zavamaneno fa ilay mpihira ihany no manatanteraka ilay fampisehoana. Mety ho ny tarika iray manontolo mihi­tsy. Mbola misy hafa fa ireo aloha no anisan’ny lehibe.

* Tokony hoatrinona izao ny maka tarika na mpanakanto iray hanatanteraka fampielezan-kevitra ?
– Miainga eo amin’ny 50 tapitrisa Ar ka hatrany amin’ny 300 tapitrisa Ar. Anisan’ny iankinan’io sandam-bola io mantsy ny endriky ny fifanarahana. Ohatra: Afaka manaraka kandidà maromaro ilay mpanakanto. Na, kandida tokana ihany no arahin’ilay mpanakanto mandritra ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra.
* Mety hisy fiantraikany any amin’ny hoavin’ny mpanakanto iray ve ny fanafanany fampielezan-kevitra miaraka amina kandidà tokana ?
– Raha ho an’ny mpankafy, tsy mamotika mpanakanto mihitsy ny manafana hetsikana kandidà tokana… Fa eo amin’ilay kandidà no mety ahitana olana. Raha ilay tsy niarahanao no lany, hananany lolom-po ianao. Iny no manahirana satria asa tahaka ny asa rehetra ange ny an’ny mpanakanto e ! Tsy miditra any amina resaka politika !

Nitafa : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: