Nivory tany Vienne, momba ny ady amin’ny kolikoly ny Bianco, ny CSI ary ny Arai. Nifarana ny herinandro teo izany atrikasa niarahan’ny rafitra isaky ny governemanta izany. Voaresaka ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly.
Voatendry ho tale kabinetra eo anivon’ny Prezidansa, ny Jly Rasolondraibe Jean Yves. Misolo ny toeran’ny teo aloha, Andrianarisoa Romy Voos, voarohirohy amin’ny kolikoly any Londres, izy manomboka izao. Mpisolo toerana vonjimaika no nisahana izany mialoha izao fanendrena izao.
Mampirisika ny governemanta malagasy ny masoivoho amerikanina hanohana sy hanaja ny zo amin’ny fahalalahana maneho hevitra sy mivory mandritra ny fotoam-pifidianana. Manamafy ny fahavononany hanohana ny zotram-pifidianana i Etazonia.
Fahatahorana ny kandidà Rajoelina no antony hanakanana azy, araka ny nambaran’ny kestora voalohan’ny Antenimierampirenena, ny depiote Henri Jean Michel, manoloana ny fisian’ny kandidà ho filohan’ny Repoblika sasany manao sonia izany.