Fisotroan-dronono : mila hajaina ny tetiandro fizarana

Nanomboka omaly hatramin’ny faran’ny herinandro ny fitsinjarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona ho an’ity volana septambra ity, araka ny tetiandro navoakan’ny tahirimbolam-panjakana.
Ho an’ny eny amin’ny perceptions principales sy ny Trésorerie principale intercommunale (Tpic) ary ny Trésorerie principale eto Analamanga dia ny laharana miafara amin’ny 0, 1, 2 no nandray izany, omaly.
Ho an’ny anio kosa, ny laharana miafara amin’ny 3, 4, 5. Rahampitso no anjaran’ny laharana miafara amin’ny 6 , 7, 8 , 9 ary ny alakamisy ny miafara amin’ny A, B, C, D, E. Ny zoma kosa no mandray ireo mitondra « procuration » sy ireo tsy nahatratra ny tetiandro fandaminana.
Eny amin’ny Paierie générale d’Antananarivo (PGA) sy ny Recette générale d’Antananarivo (RGA) Antaninarenina kosa dia ny laharana miafara amin’ny 0, 1, 2, 3, 4 no nandray, omaly. Anjaran’ireo manana laharana miafara amin’ny 5, 6, 7, 8, 9 anio. Rahampitso kosa ny laharana ialohavan’ny A, B, C, D, E.
Hisy ny fanaovam-baksiny maimaimpoana ireo zokiolona miaro amin’ny aretina Covid-19 tanterahina eny amin’ny Tpic Ivato mandritra ny fotoana hakana ny vola fisotroan-dronono voafaritry ny tetiandro. .
Tsy miova ny fitsinjarana ny laharana ho an’ny any amin’ny faritra fa ny daty fizarana kosa dia miankina amin’ny fahatongavan’ny vola, raha ny fanazavana hatrany.

Tatiana A

Partager sur: