Hatao ny 4, ny 5, ny 6 ary ny 7 oktobra 2023 ho avy izao ny tsenabem-paritra “Foara Voatse” any Ambovombe Androy. Nilaza ny governoran’ny faritra Androy, Soja Lahimaro Tsimandilatse, fa hampisongadinana ny vokatra any amin’iny faritra iny ity tsenabe ity. Toy ny fambolena (katsaka, voanjo,…), ny omby sy ny ondry aman’osy, ny hazandrano, sns. Eo koa ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany, sns. Fotoana hikarohana mpiara-miombon’antoka sy hampiroboroboana ny fandraharahan’ny mpandraharaha sy ny seha-pihariana rehetra.
Manohana mivantana ny “foara Voatse” ny orinasa Airtel, anisan’ny mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra tonga voalohany tany Androy. Namaran’ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Airtel, Randrianarison Heritiana, fa nanohana ity tsenabe ity izahay satria tsapa fa hitondra fivelaran’ny toekarena sy ny fampandrosoana ho an’ny faritra Androy, sady hanatsara ny fari-piainan’ny mponina rahateo.
Ankoatra ireo tranoheva ahitana ny vokatry ny mpampiranty, hisy koa ny loabary an-dasy, sy fihaonana mivantana B2B eo amin’ny samy mpandraharaha isan-tsehatra samihafa. Homen-danja ny tanora sy ny vehivavy.
Njaka A.