Kandidà Rajoelina Andry : “Mahay sy mahafehy ny stratejia politika aho…”

Nambaran’ny kandidà Ra­joelina Andry, teny Alarobia, omaly, ny momba ny nanen­drena ny Jly Ravalomanana Richard ho loholona, nialoha ny fametraham-pialany tsy ho filoham-pirenena, ny herinandro teo. “Isika mahay sy mahafehy tsara ny stratejia politika”, hoy izy. Notsiahiviny avy eo fa tsy nanova ny praiminisitra ny tenany tao anatin’ny 5 taona. Nekeny koa ny fampahafantaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny fa­napahan-keviny, tsy handray ny fitantanana ny firenena. Mijanona eo anivon’ny Ante­nimierandoholona ihany izy fa fiaraha-mitantana eo amin’ny governemanta kosa manomboka izao. “Tsy ratsy izany. Efa zatra mitarika filankevitry ny governemanta ny praiministra ary efa niaraka tamiko. Hisahana ny fampandehanan-draharaha mandritra ny 5 volana, mandra-pahavitan’ny fifidianana izy ireo. Ilaina ny fitohizan’ny raharaham-pirenena”, hoy izy.
Etsy andaniny, nambarany fa hisintaka kely haka bahana ny tenany. Mivonona ho amin’ny fiaingana vaovao. Hiverina matanjaka kokoa ary ao anatin’ny fahavononana hiatrika ny propagandy sy ny fanakaikezana ny vahoaka ary hitondra fandresena, araka ny nambarany.
Nadikany ho “Trinite masina: Ray-Zanaka-Fanahy Ma­si­na” kosa ny laharany fahatelo ao amin’ny biletà tokana. Mandresy rehefa manam-pinoana. Laharana ho an’ny fandresena ny telo.

Synèse R.

Partager sur: