Henjana ilay Malagasy mpanao politika ! Izay vahoaka mpanara-dia, indrindra ny manao am-po no tena fanina. Jereo anie ity lisitra farany navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Saika ireo niara-nitondra hatrizay ihany no nahafeno fepetra. Anjakan’izy ireo Madagasikara. Ny mpiray latabatra rahateo tsy mifamono izany.
Firy tamin’ireo no nilaza fa tsy mankasitraka ny fifidianana? Nilaza ny tsy handray anjara raha mirotsaka hofidina ranona na ranona anefa no nandrotsaka ilay 200 tapitrisa Ariary ihany. Mba manonofy sy maniry ny ho lohany sy ho sangany hatrany. Saingy indrisy ! Hazakazaka efa vita lamina mialoha izy ity. Manao vazaha mody miady ny mpilalao, misary mifamingampingana.
Ilay vahoaka tsy mandadiharona hatrany no very sy farahidiny. Tsy mahalala ny aty vilany hany ka kilalaon’ny mpizara fa tsy mpiady seza. Mbola vao manomboka ny fanafanan-tena amin’ny fifidianana dia efa mazava be ny kajikajy miainga any anaty antoko sy ny fikambanana.
Nangina daholo ny resaka zom-pirenena. Ireo mpanao ny homboy homboy ity no indreo fa mankasitraka. Nohindraindraina ireny ny tsy fandoavan-ketran’ny sasany, ny faktioran-jiron’ny kandidà izatsy na izaroa tsy voaloa, ny fandikana Lalàmpanorenana. Inona anefa no miseho? Izy mianakavy miray seza, samy mody fanina.
Mampiseho ny tena endriky ny fanaovana politika eto Madagasikara ity fifidianana ity : Mifamonovorona, fa rehefa tokoa ny tokoa, indreo mifandamina ihany.
r.r