Mpianaka novonoina: vehivavy voatsatok’antsy, zazalahy kely nokendaina

Mampihorinkoditra!Mpianaka norobain’ny jiolahy ny sabotsy alina lasa teo. Notsatohana antsy ny tendan’ ilay vehivavy, nokendaina tamin’ny lamba ny zanany lahy vao telo taona.

Vehivavy 30 taona sy ny zanany lahy teo taona sy tapany no hita faty nihosin-dra tao an-tranony ao Avaratsena, kaominina Am­bohimandroso Gara, distri­kan’Antanifotsy, faritra Va­kinankaratra, ny sabotsy alina teo. Nahitana tsatok’antsy telo tamin’ny tendan’ilay renim-pianakaviana raha nokendaina kosa ilay zanany. Raha ny fitantaran’ny fianakaviany, araka ny tatitra nampitain’ny lehiben’ny zana-tobim-paritry ny zandarimaria Ambohiman­droso, izy mianaka irery no tao an-trano tamin’io sabotsy io fa tsy tao ny vadiny. Ny alahady maraina, tsy nifoha toy ny mahazatra izy mianaka. Lasa nandeha namoha azy ny havany mpiray vodirindrina amin’izy ireo. Nihilahila ny varavarana ka niditra avy hatrany izy ireo. Faty nivalampatra teo amin’ny tany no hi­tan’ireo fianakaviany tamin’io maraina io. Nihosin-dra teo amin’ny manodidina ny vatana mangatsiakan’izy mianaka. Nahavariana tamin’ity vonoan’olona ity, tsy nisy nalain’ireo jiolahy ireo fanaka rehetra fa, afa-tsy ny vola tao anaty poketra ihany. Vola avy amina vidin-damba.

Efa misy olona ahiahiana…
Nohamafisin’ny fianakaviany, araka ny tatitra nampitain’ny zandary, fa mpivarotra akanjo no asan’ity renim-pianakaviana ity. Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny zandary amin’izao fotoana izao ary efa misy ahiahiana ireo olona nifanerasera akaiky taminy saingy ao anatin’ny tsiambaratelo izany. Tsy mbola misy hatramin’izao ny olona voasambotra. Nam­baran’ireo fianakaviany fa tsy nanana olana teo amin’ny fiarahamonina ity renim-pianakaviana ity. Nisy soratra hita koa teo amin’ny rindrin-trano nahitana ny razana mampitandrina ireo fianakaviany.

J.C

Partager sur: