Rajoelina Andry Nirina : « Kandidàn’ny fanamby, modely tamin’ny fikirizana »

Kandidà laharana faha-3 ao anatin’ny bileta tokana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry Nirina. Na­nomboka ny tao­na 2007 no nahitana azy voalohany tamin’ny se­ha­tra politika.
« Fikirizana sy fanamby », teny roa azo hamehezana ny lalana nizorany.

Taorian’ny antsapaka na­tao teny anivon’ny Vao­miera mahaleo tena mikarakara fifidianana (Ceni), omaly, dia amin’ny laharana fahatelo no misy ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry Nirina. Kandidàn’ny Fikambanana Tanora malaGasy Vonona, izay noforoniny ny 3 novambra 2007, raha izy nirotsaka ho ben’ny Tanànan’Antana­narivo Renivohitra tamin’izany fotoana. Nandrombaka ny fandresena izy, tamin’ny salan’
isa 63,32 % nanoloana ny kandidàn’ny fitrondrana na ny TIM, Rafalimanana Hery. Tsy niandry ela fa herintaona taorian’ny nandraisany ny fitantanana ny renivohitr’i Madaga­sikara, nanomboka ny fanozongozonany ny filohan’ny Repoblika tamin’izany, Rava­lomanana Marc. Resaka fitantanana maloto noho ny fanodinkodinam-bola tao amin’ny kaominina no nahontsany. Nampirehitra ny afon’ny tsy fifankahazoana teo amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny fiadidiana ny kaominina izany.
Niakatra ny maripana, ny 17 desambra 2008, natsahatry ny fanjakana ny fandaharana tao amin’ny radio VIVA, an’ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo, Rajoelina Andry Nirina. Nihenjan-droa ny tady teo amin’ny roa tonta. Niva­dika ho tombony ho an’ny ben’ny Tanàna ny toe-java-nisy. Ny 17 janoary 2009, nanomboka ny hetsi-bahoaka ary nisy ireny alatsinainy mainty, ny 26 janoary 2009, ireny. Nisy fotoana niafina tany amin’ny masoivoho frantsay ny filohan’ny TGV. Efa roa volana taty aoriana, ny 17 mar­sa vao vaky nandositra tany Afrika Atsimo ny filoha am-perinasa tamin’izany, Ravalo­ma­nana Marc. Ny ampitson’io, nisy ny fametrahana ny fitondrana miaramila izay nanolotra izany ho an’ny mpitari-tolona. Efatra andro monja taorian’izay, na­petraka ho filohan’ny Fahefa­na avon’ny Tetezamita izy. Ni­tondra nandritra ny dimy taona.

Nody amin’ny taniny …
Niteraka krizy politika ny dimy taona nisian’ny Tete­zamita ka tsy maintsy niditra ho mpanelanelana ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Re­hefa tonga ny taona tsy maintsy nirosoana tamin’ny fifidianana, ny taona 2014 dia tsy afa-nirotsaka izy sy ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc na ilay « ni…ni ». Ta­fiditra tao anatin’ny fifanarahana izany, ka nisafidy nandrotsaka ny mi­nisitry ny Vola tamin’ny fitondrana Tetezamita ny TGV, Rajaonarimampianina Hery. Nitondra nandritra ny dimy taona ity farany, saingy tsy lany intsony tamin’ny taona 2018. Rajoelina Andry Nirina kosa voatery nifindra-monina tany ivelany nandritra ny dimy taona ka nanohy fianarana.
Nirotsaka ho anisan’ny kandidà izy ny 2018, tafakatra tamin’ny fihodinana faharoa rehefa nahazo ny vato 39,2 % raha 35,4 kosa ny kandidà manaraka azy, Ravalomana­na Marc. Tany anaty fifidianana indray no nifanehatra izy mianaka. Lasan’ny TGV ny fandresena 55,7 % no azony. Nahavita ny fotoam-piasany izy ary nametra-pialana ny 9 septambra 2023. Mitovy amin’ny mpifaninana rehetra izy manomboka hatreo. Saingy manantombo noho izy tompom-pahefana.

Be fikirizana
Raha ny fiainany manokana, dia mpikasoka kapila na DJ, i Andry TGV no nahalalana azy. Niditra tamin’ny fandraharahana izy tany amin’ny taona 1994, lasa mpikarakara lanonana. Namorona ny orinasa Injet ny taona 1998. Na­hazo ny amboaran’ny tanora mpandraharaha nokaraka­rain’ny Banky iray teto an-drenivohitra ny taona 2003.
Raim-pianakaviana izay manambady an-dRamatoa Rajoelina Razakandisa Mialy. Manan-janaka telo mianadahy. Teraka tany Antsirabe ny 30 mai 1974. Miaramila ny rainy, Rajoelina Yves Roger. Mpikarakara tokantrano kosa ny reniny, Rakotomalala Ra­soanjanahary Olga.

Miandry ny fijerena ny sosialim-bahoaka ny mpanohana

Anisan’ny nanamarika ny zava-bitan’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry Nirina, ny fametrahana ireo karazana fotodrafitrasa maro manerana ny Nosy. Anisan’ireny ny lalana, ny toeram-ponenana, ny toeram-pitsaboana sy hopitaly, ny sekoly, ny kianja manara-penitra. Tanjony tamin’izany ny hametrahana ny fahefam-panjakana sy hampahafantatra ny olona fa miasa ny mpitondra ka manakaiky ny vahoaka. Raha ny fantatra, hiompana misimisy kokoa amin’ny fanohizana ny sosialim-bahoaka ny fotoam-pitondrana manaraka. Miandry izay rahateo ny mpanohana azy eto an-drenivohitra. «Anisan’ny andrasanay amin’ny kandidà n°3 ny fampidinana ny vidim-bary sy ny saran-dalana. Fijerena manokana anay, indrindra ny tsy an’asa. Tsapa ny ezaka vitany ka mila fotoana izy hanohizana izany saingy tsy maintsy mijery manokana ny madinika kosa izy manomboka izao», hoy Rakotondrabe Celestin, mpivarotra amoron-dalana etsy Anosikely. «Mbola vonona izahay ny hifidy azy, sady tanora no manana vina. Mangataka kosa izahay ny mba hanovany fomba fiasa sy fijerena izay tokony ho laharam-pahamehana. Atao inona ny fotodrafitrasa raha noana ny vahoaka. Torak’izany ny fampianarana, ho aiza ary izahay raha potehina tahaka ny resaka bakalorea lasa teo ny fanadinana. Atao antoka amin’ny zavatra tsy mandeha ny hoavinay ? Tianay izy satria tanora ka tokony hijery ny tanora», hoy Razanakoto Fenohasina Sandrine, mpianatra kilasy famaranana.

Nanatontosa : Riana R
Sary : Fanou

Partager sur: