Efa nitomany tao anaty lavapiringa, avotra ihany, ny zaza menavava tao Anosy Avaratra, omaly maraina. Naharay antso avy amin’ny tsara sitra-po ny zandary ao Sabotsy Namehana fa mahare feon-jazakely mitomany tsy mijanona ao anaty lavapiringa izy ireo. Nidina ifotony teny anivon’ny fokontany voalaza ny mpitandro filaminana niampy ny mpitsabo ao amin’ny CHRD Anosy Avaratra nanamarina ny zava-nisy. Tavela tao anaty lavapiringa narian’ny reniny ilay zaza vao teraka. Navotana teo no ho eo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana io zaza io ka nokarakarain’ny mpitsabo. Avotra soa aman-tsara ny ainy. Natao ny famotorana ka tratra ny reniny. Mbola sarona tao aminy ny ahitra sy ny lamba feno ra nandritra ny niterahany io menaky ny ainy io. Nentina notsaboina ilay renim-pianakaviana. Tsy fitiavana hitaiza tsotr’izao no nanariany ilay zaza tao anaty lavaka. Olona telo hafa ahiana niray tsikombakomba taminy koa hanaovana fanadihadiana.
Tsiferana R.