« Salon de la créati­vité Voatra »: Manandratra ny vokatra vita malagasy

Hetsika ara-barotra, ara-toekarena, ara-pamoronana. Toy ny fanao isan-taona nanomboka ny taona 2013, hotontosaina ny 25 ka hatramin’ny 28 oktobra izao, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny hetsika « salon de la créativité Voatra » andiany faha 10. Tanjona ny fanohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) eto amin’ny faritra Analamanga sy manerana ny Nosy. Mifototra amin’ny fanandratana ny vokatra malagasy azo avy amin’ny fanodinana ny akora ny hetsika « salon de la créativité Voatra”. Hisy ny varotra fampirantiana, fampihaonana ara-barotra sy fampihaonana amin’ny samy mpandraharaha mandritra ny efatr’andro. Ankoatra izay, hisy ny fifampizarana traikefa, atrik’asa sy valandresaka samihafa ary fijoroana vavolom­belona. Samy hampiranty ny fahaiza-manaony avy ny mpandray anjara rehetra mba hisintomana ireo mpiara-miombon’antoka.

Tohana

Tranoheva amam-polony maro no handray anjara amin’ ity hetsika karakarain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo ity. Tohana ho an’ny mpandraharaha sy ho an’ny orinasa malagasy ary fampahafantarana ny vita malagasy ny fividianana vokatra eny an-toerana.
Hiavaka ny andiany faha-10 amin’ity “salon Voatra” andiany faha-10 ity. Hisy ny fampahafantarana ny hetsika atao ny 13 oktobra izao, eny Antanimena.
Eo ambany fiahian’ny praiministra Ntsay Christian, sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ary ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ny hetsika.

Henintsoa H.

Partager sur: